Flash infos
ANGOVO : Tonga nitokana ny fanmbohan’ny asa fanorenana ivom-pamokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro any Mahajanga ny Filoha Andry Rajoelina. Hamokatra herinaratra 5 mégawatts ity tobim-pamokarana ity, ka ny 3 MW amin’izany di oentina hamenoana mivantana ny filana amin’ny atoandro, ary ny 2 MW kosa tehirizina hamenoana ny filana amin’ny alina. FANONDRANANA ANTSOKOSOKO : Maherin’ny 488 tapitrisa ariary ny fankasitrahana natolotra ireo mpiasan’ny fadintseranana nahatratra ireo volamena 53,7 kg sy 13 kg saika ahondrana antsokosoko teny Ivato. JIRAMA : Niverina indray ny delestazy eto Antananarivo rehefa niato nandritra ny herinandro. Nanambara ny JIRAMA fa ny tsy fahampian’ny rano manodina ireo milina famokarana herinaratra any Andelakeka no anton’izany. Antsiranana : Tsy hita popoka i Jean-Luc Désiré Djavojozara izay voafidy ho ben’ny Tanana tamin’ny salan’isa 65,71 %. Marihana fa voaroiroy amina raharaha fanodikodinam-bola sy fanaparam-pahefana izy izao nitsoaka izao. FIZAHANTANY : Mpizaha tany vahiny miisa 308 275 no nitsidika an’i Madagasikara ny taona 2024. Vinavinaina hahatratra 14,9 isanjaton’ny harikarena faobe (PIB) amin’ity taona 2025 ity ny sehatry ny fizahantany, hoy ny minisitra tompon’andraikikitra. TOETRANDRO : Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’Antsiranana sy Vohemar ny 11 janoary hariva ilay rivodoza DIKELEDI. Tany amin’ny 234 km atsinanan’i Vohemar no nisy ny foibeny ny 11 janoary tamin’ny 06 ora maraina. E-Fokontany : Vinavinaina hisitraka ny karnem-pokontany misy kaody QR ny tokantrano malagasy rehetra alohan’ny 26 jona 2025. 30,72 % hatreto no efa manana izany. Base Toliara : Nanome toky ny minisitry ny Harena ankibon’ny tany fa tsy ahakasikasika ny moron-tsirak’i Mangily sy Ifaty ny fitrandrahana ataon’ny Base Toliara. Hampiditra 5 miliara dolara ao anatin’ny kitapombolam-panjakana ity tetikasa ity ary hamorona asa manodidina ny 5 000 isa. ANGOVO : Hiakatra tsikelikely ny vidin’ny solika fandrehitra mandra-pahatratrarana ny vidiny tena izy, na ny « vérité de prix ». Nametraka tanjona ny Fanjakana ny tsy handoavana « subvention » amin’izany intsony amin’ny faran’ity Taona 2025 ity. JIRAMA : Hihena 100 milliara Ariary isan-taona ny fandaniana amin’ny famokarana herinaratra rehefa hipetraka ny tobim-pamokarana 50 MW avy amin’ny masoandro, hoy ny minisitry ny Angovo. Hihena arak’izany koa ny fanampiana na subventions tsy maintsy alohan’ny Fanjakana amin’ny JIRAMA.
Loading...

En ce moment

RIVOTRA1
Rivotra
Emission musicale
Emission musicale
FRENCH TOUCH
French touch
Emission musicale
Emission musicale

Ensuite

Evénements RDJ

Aujourd'hui

21 juillet 2024 : la RDJ souffle ses 21 bougies

Smile Party 2024 : Rendez-vous ce 26 juillet au stade Barea